Jobilin’i Djibril Cissé

Tonga nanontrona i Sonny Laiton


  • Zoma 30 Mey 2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

ao Auxerre, ny jobilin’i Djibril Cissé, lohalaharan’ny ekipam-pirenena frantsay eo amin’ny taranja baolina kitra teo aloha sady mpilalaon’ny klioba frantsay nanamarika azy indrindra dia ny AJ Auxerre. Nisy ny lalao ara-pirahalahiana namondronany ireo mpilalao nanamarika ity klioba ity izay navondrona tao anatin’ny ekipa nomena ny anarana hoe «Légendes de l'AJ Auxerre» sy ireo mpilalao namany nalaza teo amin’ny baolina kitra iraisampirenena izay navondrony tao anatin’ny ekipa antsoina hoe «Cissé All Stars», izay nahitàna ireo kintana fahiny toa an-dry Thierry Henry, Didier Drogba, Steven Gerrard, Robert Pirès, Samir Nasri, Claude Makélélé, Philippe Mexès, Jean-Alain Boumsong, Bonaventure Kalou. Nampanembonembona ny lasa ny niainana rehetra tamin’ity alina ity, hoy i Cissé. Nahita an’i Thierry Henry mbola nahafaty tifi-davatra na «coup franc», hoy izy, dia tena mbola tsaroana ny fahiny. Nanankarena seho samihafa ny lalao ary nanankarena baolina maty ihany koa satria dia nisaraka tamin’ny isa 8 noho 4 ka nahatafavoaka ho mpandresy ny «Légendes de l'AJ Auxerre». Nanontrona ny lanonana ny mpanazatra frantsay reharehan’ny AJ Auxerre, Guy Roux, izay efa nampiofana ireo kintan’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea fahiny toa an-dry Ibrahim Amada, Lalaina Nomenjanahary na Bolida, Carolus Andriamahitsinoro ihany koa. Izy ihany koa moa no nampahatsiahy fohy ny fotoana nandalovan’i Cissé tao amin’ny Auxerre ny taona 1999 hatramin’ny 2004. Nahatafiditra baolina miisa 90 tao anaty lalao miisa 169 izany Djibril Cissé izany. Tonga nanontrona ity fotoan-dehibe ity ihany koa ny mpiandry tsatoby malagasy, Sonny Laiton, izay efa nilalao tao amin’ny AJ Auxerre ihany koa.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT