Sport

Jobilin’i Ahmad Tonga tany Mahajanga i Eto'o


  • Talata 01 Aogositra 2023

Ny namana dia mijanona ho namana foana! Koa satria mpinamana efa ela ny filohan'ny CAF teo aloha Ahmad, sy ilay

Kamerone malaza Eto'O Fils dia tonga tany Mahajanga ity kintan'ny baolina kitra eran-tany ity. Tonga manome voninahitra ny jobilin'ny filoha Ahmad ary niara-nifaly tamin'ny mponin'i Mahajanga izay tena mirehareha manana olo-be. Nitotorebika ny rehetra ny tontolon'ny andron'ny alahady tao amin'ny kianja Rabemananjara. Faly ny rehetra fa tena faly ny filoha Ahmad.

Tsy vao sambany ny Fitsidihana an’I Mahajanga nataon’I Samuel Eto'o satria ny volana novambra 2019 dia efa tonga tany niaraka tamin’ny filohan'ny FIFA Infantino Gianni izy, ary mbola Filohan’ny CAF Atoa Ahmad tamin’izany, raha toa ka Atoa Arizaka Raoul kosa no nitantana ny FMF. Nisy ny lalao nataon’izy ireo, ka ekipa iray ireo tompon’andraikitry ny kitra voatanisa ireo tamin’izany.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT