Joanie Anyssa, mpilalaon’ny Ankoay

Miatrika fiofanana avo lenta any Kigali Rwanda


  • Talata 28 Mey 2024

Voaantso hiatrika ny BAL4HER CAMP fiofanana natokana ho an’ireo mpilalao zazavavy

latsaky ny 23 taona atao any Kigali Rwanda i Joanie Anyssa Rakotonanahary, mpilalaon’ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay sokajy vehivavy, araka ny fampahafantaran’ny Federasionina Malagasy miantsoroka ny basikety omaly. Nanomboka omaly 27 mey hatramin’ny 02 jona ny fiofanana izay finiavana lehibe amin’ny FIBA Africa miaraka amin’ny Basketball Africa League, izay mamondrona ireo tanora sangany sy heverina fa manana ho avy mamiratra amin’io taranja io, ka tolorana tan-tsoroka ho lasa lavitra kokoa. Mpilalao vehivavy 20 avy amin’ny Firenena Afrikanina 14 no miatrika ity fiofanana ity, mba hivoaran’ireo talenta aty Afrika eo amin’ny sehatry ny basikety. Mifanindran-dàlana amin’io, ny BAL4HER ihany koa dia mamondrona tanora matihanina 100 liana hivelona amin’ny fanatanjahantena. Fotoana ihany koa ahafahan’izy ireo mandray anjara amina lalao avo lenta hanovozana traikefa, fa indrindra atrik’asa mifototra amin’ny famoronana fototr’asa miorina amin’ny indostrian’ny fanatanjahantena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT