Sport

Joana Paul “Mpilalao ampy lalao no tokony hajoro”


  • Talata 30 Martsa 2021

Mba ahitana fandresena amin’ny lalao hatrehin’ny Barea anio manoloana ny ekipam-pirenen’i Niger

 

 

 

dia naneho ny heviny ny mpanazatra sy mpitantana klioba diviziona voalohany Malagasy, Joana Paul. Mpanazatra sy filohana klioba D1 nandritry ny taona maro aho, hoy izy, ary tonga nanohana ny ekipam-pirenena Malagasy tany Ejipta. 25 taona no efa nanarahako ny ekipam-pirenena. Miankina amin’ny fandresen’i Cote d’Ivoire an’i Etiopia ankehitriny ny fiakarantsika ho an’ny amin’ny CAN 2022 fa miankina amin’ny fandresentsika an’i Niger koa. Misy fenitra toy izao ny fampijoroana mpilalao eny ambony kianja ary tiako ho zaraina amin’ny mpanazatra, Nicolas Dupuis; eo ny resaka fotoana nilalaovan’ilay mpilalao tao amin’ny kliobany. Ny mpilalao izay matetika mpisolo toerana na tsy manana lalao mihitsy ao amin’ny kliobany dia tsy tokony hanana toerana ao amin’ny ekipam-pirenena. Manao izany daholo ny firenen-drehetra mba hanatsarana ny vokatry ny ekipany. Tsy mendrika ho voaantso ihany koa ny mpilalao tsy manana klioba satria tsy nanana fotoana nilalaovana akory. Tsy fanazarantena na lalao ara-pirahalahiana ny fifanintsanan’ny CAN. Natao ho an’ireo mpilalao ampy traikefa sy lalao ny ekipam-pirenena ary anton’ny tsy fahombiazana tany Etiopia ny tsy fanajana izany. Na dia efa nitarika 3 noho 0 aza ny etiopianina dia mbola azy ihany koa ny efa ho 80%n’ny fotoana nitazomam-baolina satria sady ampy lalao izy no mafy teo amin’ny lafiny tanjaka. Miangavy aho, hoy hatrany ity tekinisiana ity, mba ho ireo mpilalao ampy lalao no hajoro amin’ny andro faha 6 hihaonana amin’i Niger.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT