JO 2024_Baolina kitra

Resin’i Maroc i Argentine


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

dia efa nandeha mialoha tahaka ny efa fahita hatrizay ny lalao sasany, toy ny baolina kitra. Lalao maromaro no nandeha omaly, ka isan’ny nisongadina ny an’i Argentine sy Maroc izay tena hafa kely mihitsy ny zava-niseho. Nitarika 2-1 ny Maraokanina saingy tratra 2-2 teo amin'ny minitra 90+15' noho ny baolina matin'i Medina. Niakatra an-kianja nikorontana ireo mpijery nefa tsy mbola notaperina tanteraka ny lalao. Voatery nampidirina tany amin'ny « vestiaire » ny ekipa roa tonta aloha noho ny fandaminana. Rehefa tany dia re fa niato na "suspendu" ilay lalao noho ny korontana farany nataon'ny mpijery. Efa adin’ny roa taty aoriana vao niverina niakatra kianja indray ny ekipa roa tonta izay tapaka fa hanohy ny minitra kely tokony mbola hilalaovana. Nohamarinin'ny VAR anefa fa "en position d'hors-jeu" indray ilay baolina tafiditr'i Medina tamin'ny minitra farany izay nanasahala ny isa ho 2-2, ka niverina ho 1-2 ny isa. Mbola nisy 3 minitra farany tsy vita tamin'ny lalao ka notohizana, ary nandresy 1-2 ihany ny Marôkanina. Efa niparitaka tamin’ny pejin-tserasera ara-panatanjahantena maro naneran-tany ny vokatra 2-2, saingy niverina ho 2-1 izay tombony ho an’ny Maraokanina, isan’ireo solontenan’i Afrika. Ho an’ny lalao hafa, dia resin’i Espagne 2-1 I Ouzbékistan ; Japon nanamontsana 5-0 an’i Paraguay ; Irak nandresy 2-1 an’i Ukraine ; resin’i Nouvelle Zélande 2-1 i Guinée,...
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT