Jiu-Jitsu-Open Africa

Nandraoka medaly 28 ny Malagasy


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Nandraoka medaly miisa 28 ny Malagasy ny sabotsy teo nandritra ny fifaninana kaontinaly aty Afrika na

Open Africa » ho an’ny taranja Jiu-Jitsu, natao tatsy Maurice ny sabotsy lasa teo. Ny 13 tamin’ireo no volamena, 7 volafotsy, ary 8 kosa alimo. Nahazo medaly iray fatafahakeliny avokoa ireo 18 nandrafitra ny ekipam-pirenena, ka ho an’ny vehivavy dia isan’ny nisongadina i Tatamo Randriamanantena ho an’ny latsaky ny 68kg izay nibata volamena 2 teo amin’ny « Nogi » sy « Gi » latsaky ny 66kg. Nisonagdina ihany koa i Arindra Ranaivoharivony, tompondaka lefitra teo amin’ny « Gi » sokajy latsaky ny 61 kg sy Nogi ho an’ny latsaky ny 66kg. Ho an’ny lehilahy kosa dia voahosotra tompondaka i Zo Aina Randriamanga ho an’ny « Nogi » lataky ny 86kg ary tompondaka lefitra kosa teo amin’ny « Gi » sokajin-danja -88kg. Andy Rasamy-Anoharana kosa nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny « Gi » -88kg, ary medaly alimo kosa ho an’ny « Nogi » latsaky ny 86kg.
Nangonin’i Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT