Sport

Jiu-jitsu Bresilien Nahatratra 52 ireo nofanin’i Christian Derval


  • Alatsinainy 10 Mey 2010

Fanindroany izao i Christian Derval, 3e dan amin’ny Jiu Jitsu breziliana (JJB), 58 taona, no nandalo nampiofana teto Madagasikara. Nitondra teknisianina roa hafa izy tamin’ity indray mitoraka ity hanampy azy amin’ny fampiofanana, dia i Oceane Talvard sy William Lionetti.

 Iry tovovavy voalohany izay 28 taona dia efa tompondaka eran-tany amin’ny JJB tepana volomparasy, tompondakan’i Eoropa amin’ny tepana volontany ary tompondaka eran-tany lefitra amin’ny grappling. Ilay ranamana faharoa kosa izay 48 taona dia tepana mainty amin’ny JJB ary manampahaizana manokana amin’ny Kenpo sy Mixed Martial Arts (MMA). Nahasarika mpikatroka JJB avy amin’ny klioban’ny Esca sy Girdinho nahatratra 52 nohatevenin’ireo judoka maro ny fiofanana notarihin’ireto manampahaizana frantsay ireto ny 4, 7 ary 8 mey teo izay nokarakarain’ny JJB Esca. Niompana tamin’ny teknika maro fampiasa amin’ny fifaninanana, ny fomba famahana ny fiarovantenan’ny mpifanandrina sy ny fidirana amin’ny fanafihana ny fiofanana. Afa-po tamin’ny fivoaran’ny mpikatroka Malagasy i Derval herintaona taorian’ny nandalovany teto. “Matotra ary liana amin’ny taranja ireo mpikatroka ary mangetaheta zava-baovao hatrany. Ny fanofanana aloha no nanombohako ny fandalovako nijereko ny haavo teknikan’ireo mpikatroka hoe aiza ny lesoka. Tsy azo ataotao foana koa ny fanomezana grady fa tokony hitovy lenta amin’ny any ivelany (Eoropa)”. Efa nosantarina tamin’ny fifaninanana moa izao hetsika izao ny 1 mey teo ka nisongadina tamin’izany ireo mpikatroky ny Gordihno sy JJB Esca. Nofaranana tamin’ny fizarana diplaoma ny fiofanana ny sabotsy teo ho an’ireo mpandray anjara sy afa-panadinana fisondrotana grady. Efa nampanantena sahady fa handalo indray i Derval amin’ny taona ho avy ary hitondra teknisianina hafa.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT