Sport

Jimmy Simouri Mbola maniry handrafitra ny Barea


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Azo lazaina ho mamiratra ao anatin’ny fifaninanana reunioney eo amin’ny taranja baolina kitra, divizionina voalohany, ankehitriny ny lohalaharana Malagasy, Jimmy

 

 

 

Simouri, izay milalao ao amin’ny SDFC na Saint Denis Football Club. 31 taona ny lehilahy ankehitriny ary azo lazaina ho mifanatsahana ihany ny haben’ny vatana sy ny halavana satria mirefy 1,69 metatra ary milanja 60 kilao. Isan’ireo novolavolain’ny Akademia Ny Antsika ary mpilalaon’ny CNaPS sport moa izy farany teo nialohan’ny nilany ravinahitra atsy amin’ity nosy rahavavy ity. Mampiavaka azy ny fahaizany mandrindra tolotra no sady mamono baolina, hoy ireo mpanao gazety Renioney, ary tsy nanafina ny hetahetany mbola handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy na ny Barea moa ny lehilahy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT