Sport

Jeux de Melaky 2021 Tonga namafa ny dian-dry Siteny ny Fanjakana


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Nifarana ny sabotsy 28 aogositra lasa teo ny “Jeux de Melaky” andiany faha-32 notanterahina tany Maintirano. Tsy toy ny tamin’ny fanokafana tamin’ny 20 aogositra,

 fa tonga nirodorodo nanao be fiavy ny olom-panjakana nahitana minisitra maromaro mpikambana ao anatin’ny governemanta sy ireo mpikatroka ao anatin’ny Antoko TGV. Raha hiverenana, tsy nahitana na tamingana mpikamban’ny governemanta tany an-toerana tamin’ny fanokafana. Tsy fantatra mazava ny antony. Isan’ny nanatrika izany koa ireo olom-boafidy nahitana an-dry Depiote Siteny Randrianasoloniaiko Filohan’ny rafitry rafitry ny Judo aty Afrika sady Filoha lefitra maneran-tany sy ireo depiote namany, toa an-dry Jean Jacques Rabenirina Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, Voninahitsy Jean Eugène, Volahaingo Marie Thérèse. Tany an-toerana niaraka tamin’Atoa Siteny Randrianasoloniaiko ny Filohan’ny CAF teo aloha Ahmad Ahmad, ny Pr Alain Djacoba Tehindrazanarivelo, izy mirahalahy ireo izay efa hita tany Toliara tamin’ny fandraisana an’I Siteny Andrianasoloniaiko taorian’ny fahatongavany avy any Afrika. Io depiote io, izay tsikaritra ho tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana ankehitriny. Raha tsy hita tany amin’ny fanokafana, dia nanao be fihavy ny mpitondra, mpikamban’ny governemanta maromaro sy olona ambony maro no indray nitontona tany Maintirano, toy ny Minisitry ny mponina Princia Soafilira, minisitry ny asa vaventy Atoa Jerry Hatrefindrazana, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria Jeneraly Serge Gellé, ny Governoram-paritra Analamanga Atoa Hery Rasoamaromaka,… Toa tonga haneho hery sy hanao kisehoseho hoe: izany ary izahay raha mipoitra. Fiaramanidina 3 be izao no nitondra ny delegasionina, izay toa fihetsika natao hamafana ny dian-dry Siteny Andrianasoloniaiko, Ahmad Ahmad, Djacob Tehindrazanarivelo. Ny mahagaga, toa ireo olona tsy dia misy rohy amin’ny resaka kolontsaina sy fanatanjahantena indray no nipoitra. Ny resaka fandaniana moa izany tsy resahina intsony hoe: mety ohatrinona no lany tamin’ny fanofana fiaramanidina nentina nanaovana fireharehana ara-politika tany Maintirano? Nandalo tany ve ireo sokajiana ho mety mpifandrina ara-politika ka tsy maintsy mamafa ny dian’ireo tany ka tsy hitsitsiana volam-panjakana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT