Sport

Jeux Corporatifs Ndao eLalao Natao hampivondronana ny orinasa rehetra


  • Talata 09 Jolay 2019

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahamasina ny 20 sy 21 jolay ho avy izao ny « jeux corporatifs » Ndao eLalao.

 

 Fifaninanana ara-panatanjahantena natokana ho an’ireo mpiasa amina orinasa, karakarain’ny orinasa etech anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonany. Taranja 11 be izao no hifaninanana ka anisan’izany ny baolina kitra, ny basikety, ny volley-ball, ny belote, ny tenisy, ny tsipy kanety be hatramin’ny dihy Rock sy Zumba sy ny maro hafa. Tsy afaka mandray anjara ireo mpiasa manana kara-pilalaovana eny anivon’ny seksiona na ligy na federasiona saingy afaka mandray anjara izy ireo amin’ny taranja hafa tsy ananany kara-pilalaovana. Mbola mitohy hatramin’ny zoma ho avy izao ny fandraisana ny anaran’ireo orinasa liana te handray anjara amin’izany ka manatona avy hatrany ny foiben’ny etech eny Anosivavaka izay te hiditra anaty fifaninanana.  Saika mitodika amin’ny fandrosoan’ny teknolojia avokoa amin’izao fotoana izao ny firenena maneran-tany. Anisan’ny tanjon’ny etech ny fampivondronana ny orinasa rehetra tsy ankanavaka sy ny fampahafantarana ny fisiany. Tsy tokony hiambakavaka intsony i Madagasikara amin’ny firosoana amin’ny teknolojia vaovao manaraka ny toetrandro (TIC) satria fomba vaovao entina hampitomboana ny famokaran’ny orinasa izany. Hampitatra ny tsena sy ny asa ny firosoana amin’ny teknolojia vaovao satria raha ny ao amin’ny etech manokana izao dia efa misy 500 sahady ny mpiasa ary vinavinaina hahatratra 1000 amin’ny taona manaraka. Ny firosoana amin’ny fanovàna sy ny fampivoarana sehatra  dizitaly izay hiezahan’ity orinasa ity  izao dia manova mihitsy ny rafitra fandraharahana ary hampivoatra haingana kokoa ny orinasa mpisehatra amin’izany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT