Sport

Jeux corporatifs Lasan’ny Adema ny baolina kitra


  • Alarobia 17 Jona 2015

Naresaka ny tetsy Mahamasina nandritra ireo roa andro nanaovana ny Jeux Corporatifs nokarakarain’ny Clement Rabary Organisation izay nahitana fandraisan’anjarana orinasa sy fikambanana 41.

 Tompondaka tamin’ny baolina kitra lalaovin’olona 7 ny Adema izay nandresy an’ny CUA 3-1 taorian’ny ‘tirs au but’ raha nisaraka tsy nisy nitoko ny roa tonta hatreo amin’ny fe-potoana ara-dalàna. Lasan’ny Jovenna ny baskety rehefa nandresy an’ny Air Mad 25-17 izy ireo. Nandrombaka ny volley ny Soltec izay nampiondrika an’ny Tahirimbolam-panjakana 31-25. Vokatra tamin’ny tsipy kanetibe, lasan-dRandrianarisaona Faniry sy Andrianaranjaka Voahangy (Institut Pasteur) ny olon-droa vehivavy ka resiny tamin’ny famaranana Andriantiana Laingoniaina sy Hantanirina Marie Claire Aimee (Tahirimbolampanjakana ). Nahazo ny olontelo lehilahy kosa Rateloson Ny Aina Andry sy Rakotomalala Alain Bruno ary Rabialahy Neda Andre (CUA) izay nandavo an-dRabenanivo Yves Michel, Rajaonarinelina Brice ary Rakotomanga Toussaint (Jirama). Ho an’ny tenisy dia lasan-dRafaliarisoanavalona Kanto (Air Mad) ny sokajy vehivavy rehefa nandavo an-dRatrimosoa Miora (BOA) 7-2. Tompondakan’ny sokajy lehilahy -45 taona kosa i Ejazz Wasram (Sipromad) izay nanilika an-dRandrianirina Claude (Jovenna) 7-1. Ratianaharimanana Miharisoa (Air Mad) kosa nandavo an’Andriamparany Ratsimbazafy (Air Mad) 4-2 ho an’ny lehilahy +45 taona. Nandrombaka fanindroany ny lalao karatra kosa ny Sofitrans tamin’ny alalan’i Mampihavana Jean Olivier sy Andrianambotrima Dina Michel rehefa  nandresy an-dRakotondramasy Marcel sy Rafanomezantsoa Solofoniaina (Madarail) 257-115.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT