Sport

Jeux Corporatifs Asief andiany 1 Nanjakan’ny mpilalaon’ny MDN tanteraka


  • Talata 11 Desambra 2018

Tontosa ny sabotsy 8 sy alahady 9 desambra 2018 teto Antananarivo ny lalao « Jeux Corporatifs Asief/3fb Fahasalamana andiany 1 » izay natao indrindra hampirisihana ny mpiasam-panjakana sy mpiasan’ny tsy miankina (Jirama no namaly ny antso teto) hampiasa vatana mba hananana vatana salama hiatrehana tsara ny asa,

 

  

 

hoy ny filoha nasionalin’ny Asief Andrianarison Jean Aimé Botosera « John Love ». Tsy ny fikarakarana fifaninanana tompondakan’ny Asief ihany no himasoany, hoy izy fa ny fitaizam-batan’ny mpiasa tsy an-kijanona. Tamin’ny ankapobeny raha ny vokatra azo dia azo ambara fa nanjakan’ny ekipan’ny minisiteran’ny MDN tanteraka ity Jeux Corporatifs ity fa  lasan’izy ireo ny amboara teo amin’ny taranja volley-ball nandreseny ny Senat seta 2-0. Lasany koa ny amboaran’ny lalao baolina kitra nandreseny ny Jirama 1-0. Mbola lasan-dry zareo ihany koa ny amboara teo amin’ny  taranja tenisy rehefa nandresy ny MFB 5-4 ry zareo. Farany dia mbola lasan’ny MDN ihany koa ny amboaran’ny tenisy ambony latabatra isam-batan’olona sy isan-tarika. Nanaraka azy teo ny Jirama nahazo ny amboaran’ny basket-ball rehefa nandresy ny SANTE 33-24 ary koa ny amboaran’ny taranja tsipy kanetibe sy ny amboaran’ny Belote.

 

Ntsoavina Evariste

                                                                                                                                              

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT