Sport

Jeux Corporatifs Asief andiany 1 Nanjakan’ny mpilalaon’ny MDN tanteraka


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Tontosa ny sabotsy 8 sy alahady 9 desambra 2018 teto Antananarivo ny lalao « Jeux Corporatifs Asief/3fb Fahasalamana andiany 1 »

 

izay natao indrindra hampirisihana ny mpiasam-panjakana sy mpiasan’ny tsy miankina (Jirama no namaly ny antso teto) hampiasa vatana mba hananana vatana salama hiatrehana tsara ny asa, hoy ny filoha nasionalin’ny Asief Andrianarison Jean Aimé Botosera « John Love ». Tsy ny fikarakarana fifaninanana tompondakan’ny Asief ihany no himasoany, hoy izy fa ny fitaizam-batan’ny mpiasa tsy an-kijanona. Tamin’ny ankapobeny raha ny vokatra azo dia azo ambara fa nanjakan’ny ekipan’ny minisiteran’ny MDN tanteraka ity Jeux Corporatifs ity fa  lasan’izy ireo ny amboara teo amin’ny taranja volley-ball nandreseny ny Senat seta 2-0. Lasany koa ny amboaran’ny lalao baolina kitra nandreseny ny Jirama 1-0. Mbola lasan-dry zareo ihany koa ny amboara teo amin’ny  taranja tenisy rehefa nandresy ny MFB 5-4 ry zareo. Farany dia mbola lasan’ny MDN ihany koa ny amboaran’ny tenisy ambony latabatra isam-batan’olona sy isan-tarika. Nanaraka azy teo ny Jirama nahazo ny amboaran’ny basket-ball rehefa nandresy ny SANTE 33-24 ary koa ny amboaran’ny taranja tsipy kanetibe sy ny amboaran’ny Belote.

 

Ntsoavina Evariste

                                                                                                                                     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT