Jeux Corporatifs ASIEF

3Fb fahasalamana Hotanterahina amin’ny sabotsy sy alahady izao


  • Talata 04 Desambra 2018

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny ASIEF « Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires », Andrianarison Jean Aimé Botosera « John Love »,

 

 

 

 omaly teny amin’ny Hjra Ampefiloha fa raikitra ary hotontosaina ny sabotsy 8 sy  alahady 9 desambra 2018 ny  andiany voalohany amin’ny hetsika ara-panatanjahantena « Jeux Corporatifs » hifandrimbonan’ny ASIEF sy ny 3Fb fahasalamana mikarakara. Manodidina ny 25 ankehitriny ireo minisitera sy orinasa tsy miankina nisoratra anarana fa handray anjara amin’ity fifaninanana ity. Mbola manana indray andro hatramin’ny rahampitso alarobia 05 desambra antoandro anefa ireo maniry ny mbola hisoratra anarana. Amin’io ihany koa manomboka amin’ny 1ora antoandro ao amin’ny efitrano fivorian’ny Hjra Ampefiloha no hanatanterahana ny dinika teknika ho an’ireo mpandray anjara rehetra. Marihana fa taranja 7 no hifaninanana ka ny lalao baolina kitra, basikety, tsipy kanetibe ary belote dia ao amin’ny Hjra avokoa no hotanterahina, ny law tennis dia hotanterahina ao amin’ny CFM Anosy, ny volley-ball dia hatao ao amin’ny kianjan’ny Plan ao Anosy ary ny tenisy ambony latabatra kosa dia ho fantatra amin’io alarobia 5 desambra io izay toerana hanatanterahana azy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT