Sport

Jeux corporatifs andiany faha-20 Nanjaka ny BOA sy Air Madagascar


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Fifaninanana tao anaty fialamboly tanteraka, miala amin’ny asa andavanandro, ny Jeux corporatifs andiany faha-20 natao tetsy Mahamasina ny sabotsy sy alahady teo.

Tamin’ny ankapobeny dia ny BOA sy Air Mad no nisongadina indrindra raha ny vokatra azo izay samy nahatafavoaka tompondaka telo avy. Ho an’ny Bank of Africa manokana dia norombahan’izy ireo ny anaram-boninahitra teo amin’ny baolina kitra izay nandavoany ny CUA 2-1 teo amin’ny famaranana. Ankoatra izany ny olon-droa vehivavy tamin’ny tsipy kanetibe ary volley. Ny Air Mad kosa dia nisalotra ny anaramboninahitra teo amin’ny baskety sy ny tenisy vehivavy ary ny lehilahy -45 taona. Nahatratra 67 moa ny orinasa nandray anjara tamin’ity fifaninanana ho an’ireo orinasa nokarakarain’ny namana mpanao gazety Clément Rabary ity.

Marihina fa anisan’ny mpandray anjara mavitrika amin’ity fifaninanana ity ny vondrona Vidy Varotra izay misy ny gazety Tia Tanindrazana ary nahavita vokatra nisongadina oharina tamin’ny tany aloha satria tany amin’ny 1/4-dalana vao lavo ny ekipany tamin’ny baolina kitra ary 1/8-dalana tamin'ny baskety. Nandresy hatrany izy ireo tany amin’ny fifanintsanan’ny vondrona. 3-2 nanoloana ny Shell, 6-0 tamin’ny Fersmad ary 2-1 tamin’ny TV Plus. Nandavo ny SPS (2-1) teo amin’ny 1/16 –ndalana. Nampiondrika an’ny USECAM (3-2) tamin’ny tirs au but raha 2-2 teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna teo amin’ny 1/8-dalana ary lavon’ny Colis Express 3-2 tamin’ny tirs au but raha 0-0 ny fe-potoana ara-dalàna teo amin’ny 1/4-dalana. Marihina fa nahatratra 66 ny ekipa nifaninanana teo amin’ny kitra. Tsetsatsetra tsy aritra no ilazana fa mbola maro ny fitarainana mikasika ny fampijoroan’ireo orinana sasany mpilalao manana kara-pilalaovana. Nampiavaka ity andiany 2010 ity ny fandraisan’anjaran’ny minisiteran’ny fanatanjahantena ary nanamarika ny minisitra Ramamonjisoa Virapin fa hisy ny andiany amin’ny Jeux corporatifs hotontosaina any Antsiranana amin’ity taona ity.
HR
Vokatra
Kitra : BOA-CUA (2-1)
Baskety : Air Mad-BOA (27-21)
Volley : BOA-Orange (31-29)
Tenisy :
Vavy : Rajaonarisoa Lily (Air Mad)-Rahery Judith (Air Mad) 5-1
Lahy +45 taona : Rafaralahinavalona Yves (Opham)-Rahery Elysé (Air Mad) 4-1
Lahy -45 taona : Randrianjafy Thierry (Air Mad)-Rajaonah Haja (Jirama) 5-3
Kanetibe :
Olon-telo lahy : JB-Usecam (13-7)
Olon-droa vavy : BOA-Aro (13-7)
Belote : Shell (Solofo, José)-NSC (Nary, Jean Claude) 198-54

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT