Sport

Jerôme Mombris sy Thomas Fontaine ao amin’ny Barea Nanolotra « Maillots sy shorts » ho an’ny « Ecole de Foot H+ »


  • Talata 11 Febroary 2020

Amin’ny maha ray mpiahy « parrains » azy ireo dia nanolotra « maillots » sy « shorts » miisa 120 ho an’ny « Ecole de Foot H+ »

 

 

eny Sabotsy Namehana ireo mpilalao vodilaharan’ny « Barea de Madagascar » miisa 2 dia i Jerôme Mombris sy Thomas Fontaine. Tamin’ny sabotsy 08 febroary 2020, teny amin’ny kianja sentetika « Ideal Foot en Salle » sy ny kianja sentetika Kintana eny Antsofinondry Avaradrano no nanoloran’ny filoha mpanorina an’ity « Ecole H+ » ity, i Me Razafindrasata Herimalala « Hery Kely », an’ireo fitaovana ireo nivantana ho an’ireo ankizy ao amin’ny sokajy U 6, U 8, U 10 ary U 13 sy ireo zatovo U 15 sy U 17 ao aminy. Nambarany ihany koa fa eo am-piandrasana olona hitondra ho aty Madagasika ireo fitaovana hafa fanaovana fanazarantena fanampin’ireo toy ny baolina filalaovana miisa 30 sy ny hafa ihany koa izay mbola avy amin’izy mirahalahy ihany. Marihina fa na vao herintaona teo ho eo aza no niforonan’ity "Ecole de foot H+ » ity dia efa mahatratra 150.000 ny ankizy sy zatovo ary tanora U 20 miofana ao aminy. Ny eo anivon’ny ligim-paritry ny baolina kitran’Analamanga ihany hatreto no mikarakara fifaninanana ho an’ireo sokajy voalaza etsy ambony ireo dia mieritreritra handray anjara amin’izany ny « Ecole de Foot H+ ». Tanjon’ity sekolin’ny baolina kitra eny Sab Nam ity kosa ny famolavolana mpilalao Malagasy ho lasa matihanina any ivelany any.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT