Sport

Jeremy Morel Tsy mbola mieritreritra ny ho retirety


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Mamarana ny fifanarahany ao amin’ny klioba frantsay, Stade Rennais, amin’ity volana may ity ankehitriny, ny vodilaharana afovoany malagasy, Jeremy Morel.

 

 

 

 

Hatreto dia mbola tsy nisy klioba hafa nanontany ny momba azy aloha. Izany mety tsy hanana klioba ny tenany manomboka amin’io volana jona io. Mety hijanona ihany koa ato amin’ny kliobana baolina kitra divizionina voalohany nilalaovany farany ity koa ve anefa? Raha ny nambarany aloha dia mbola mahatsiaro tena ho ao amin’ny tanjany tsara ny lehilahy izay 36 taona ankehitriny. Azo lazaina ho namiratra rahateo izy nialohan’ny fiatoan’ny taom-pilalaovana vokatr’izao fipariahan’ny valan’aretina COVID 19 izao.Mbola vonona hatrany hiaro ny voninahim-pirenena eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasy dia ny Barea ihany koa ny tenany, raha ny nambarany hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT