Sport

Jeremy Morel Baraingo ny hoaviny


  • Alarobia 16 Jona 2021

Baraingo hatreto ny hoavin’ilay vodilaharana malagasy milalao ao amin’ny FC Lorient, klioba divizionina voalohany ao Frantsa

 

 

 eo amin’ny taranja baolina kitra, Jérémy Morel. Hatramin’ny fiafaran’ny taom-pilalaovana 2021-2022 no heverina fa mbola hahafahany milalao miaraka amin’ny Merlus, raha ny vinavinan’ireo mpanao gazety frantsay ao amin’ny gazety l’Equipe. Izay no hiseho raha toa ka voatana ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Mipetraka, araka izany, etsy ankilan’izay ny ahiahy hoe ho voatazona ao tokoa ve ny lehilahy sa tsia? Tsiahivina hatrany fa mananika ny faha 38 taonany ankehitriny no izao mbola voaantso hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea izao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT