Sport

Jeneraly Lylison – Filohan’ny FMKB ‘’Tsy ataontsika ho sakana ny vola”


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Lany ho Filohan’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja Kick-Boxing (FMKB) ny Jeneraly Lylison de Roland, izay loholona am-perin’asa mitondra lokon’ny TGV-MAPAR amin’ny anaran’ny Faritra Sofia.

 Kandida 4 izy ireo no nifaninana tamin’izany, dia i Lylison René de Rolland, Boto Gilbert, Fernand Guy, ary Vital Serge. Taorian'ny latsa-bato voalohany, nahazo vato 5 tamin'ny 9 ny kandida Lylison René de Roland; vato 4 ho an'i Vital Serge. Araka izany, lany ho filohan’ny FMKB i Lylison René de Roland, goverinoran’ny faritra Sofia. Nilaza moa ny tenany tamin’ny propagandy fa "Ny fitiavany ny fanatanjahantena sy ny fiangavian'ny mpankafy maro ity taranja ity no nanosika azy nirotsaka hofidina ho amin'izao andraikitra izao”. "Tsy ho sakana amintsika ny fitaovana na ny vola izay hoenti-manana hampiroboroboana ny taranja, noho ny ezaka hataonay amin'ny fitadiavana mpiara-miasa sy fiofanana any ivelany sy any amin'ireo mety hanohana rehetra", hoy ny fampanantenana. In-dimy mandrotsa-bato ireo filohana ligim-paritra miatrika izao fifidianana izao: filohan'ny federasionina iray, filoha lefitra roa, sekretera jeneraly iray ary mpitam-bola iray. Lany ho filohan’ny rafitra ara-panatanjahantena izany ny mpanao politika Lylison René de Roland, izay azo nosokajiana ho kandidam-panjakana, raha halalinina. Eo am-pelatanan’ny loko volomboasary izany ny fitantanana ny taranja ara-panatanjahantena Kick-boxing eto Madagasikara, ka irariana mba tsy hisy olana intsony ny resaka fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny hita tamin’ny taranja iray faramparany teo, izay mianton-tena satria tsy noraharahian’ny fanjakana, mety tsy dia malaza sy notaingenana ara-politika, kanefa dia nisy ny voahosotra ho tompondaka eran-tany sy tompondaka lefitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT