Sport

Jean Michel Ramaroson Niaiky fa tsy tomombana ny fikarakarana N1 A farany


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Rehefa naheno ny tatitra avy amin’ny tompon’andraikitry ny Fmbb tompo-marika tamin’ny fanatanterahana ny fifaninana basikety N1 A

 

 

 

 

farany teo tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kiana

nataon’ny mpisera tao amin’ny tambazotran-tserasera tamin’ilay

resaka hoe : fandroahana mpanao gazety tamin’ny toerany raha

nanatrika ny famaranana tao amin’io toerana io aho, hoy Atoa Jean

Michel Ramaroson « Mika » filohan’ny Fmbb izay tsy teto an-toerana

tamin’io fotoana io dia nandray fanapahan-kevitra fa tsy mety ny mangina amin’izao fa tsy maintsy atao ny firesahana  an’iny raharaha iny aminareo mpanao gazety dia izao tontosaina eto amin’ny lapan’ny fanatanjahantena amin’izao sabotsy 21 septambra izao. Ekena,  hoy izy, fa nisy tsy fahatomombanany ny fikarakarana an’iny fifaninanana nasionaly iny, indrindra teo amin’ny lafiny serasera, na dia efa zatra ny mikarakara hetsika nasionaly ny iraisam-pirenena maromaro ihany aza izahay ao amin’ny Fmbb. Soa fa nisy ny tranga-jevatra toy ireny, hoy izy, hanarenana zavatra maro ka voalohany amin’izany dia nanendryolona hiandraikitra manokana ny fifaneraserana aminareo mpanao gazety izahay dia Rtoa kely Mihary Randriana. Nohararaotin’ity filohan’ny Fmbb ity tamin’io fihaonana tamin’ny sabotsy io koa ny namariparitra ny andraikitra vaovao sahaniny eo anivon’ny Fiba Monde sy nilaza an’ireo fifaninana ho atrehantsika Malagasy eo amin’ny sehatry ny Basikety ato ho ato. « tsy misy fanatanjahantena mandeha raha tsy misy ny serasera, hoy ity teo am-pamaranana, ka mbola mangataka fiaraha-miasa hatrany aminreo mpanao gazety namana izahay Fmbb”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT