Sport

Jean Marc Koumba Miomana hanangana ny akademian’ny haiady


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Miomana hanangana ny akademian’ny haiady na « Académie des Arts Martiaux » eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ilay mpikatroka Kick Boxing,

 mpiambina manokana teo aloha ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, Jean Marc Koumba. Nisy ny fiaraha-miasa fohy notontosainy niaraka tamin’ny minisitry ny fanatanjahantena, Mamod Ali Hawel, tetsy amin’ny akademian’ny fanatanjahantena etsy Ampefiloha ny sabotsy teo. Ankoatran’izay tetikasa akademian’ny haiady izay moa dia isan’ny tetikasa goavana iarahany amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena ihany koa andiany fahatelo amin’ny alin’ny haiady na « III ème Nuit des Arts Martiaux ». Nilaza moa ny tenany fa tena nanaitra azy ny fahavononana sy faharisihan’ity minisitry ny fanatanjahantena ity ka tanjona ny hamitana izany rehetra izany mialohan’ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina izay hatao eto Madagasikara amin’io taona 2023 io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT