Jean Harisson Marcellin

Hilalao any Autruche


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Ny Rapid Vienne, divizionina voalohany ao Autriche indray, no hilalaovan’ilay

vodilaharana afovoany malagasy, mirefy 1,97 metatra, milanja 82kg, Jean Harisson Marcellin, manomboka eto, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Klioba isan’ny sangany amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina ao amin’ity firenena eoropeanina ity io klioba io, raha ny fantatra. Vita omaly ny fizaham-pahasalamàna an’ity mpilalao 25 taona ity. Maharitra 3 taona kosa ny fifanarahana eo aminy sy ny kliobany vaovao. Handray anjara amin’ny fifaninanana eoropeanina na Conference league Europa koa izy sy ny ekipany. Azo lazaina ho tsy vaovao amin’ity vodilaharana ity raha ny fifaninanam-pirenena eoropeanina satria klioba divizionina voalohany frantsay miisa 3 no efa nisy azy tany am-boalohany dia ny AJ Auxerre, AS Monaco, Girondins de Bordeaux. Taorian’izay moa dia nahalalàn’ny malagasy azy indrindra farany teo ny nilalaovany tao amin’ny klioba sangany israelianina, Beitar Jérusalem, izay nahafatesany baolina miisa 3, nahavitàny tolotra tsy azo ivalozana iray ary lalao miisa 33. Raha ny tena marina dia ny taona 2026 no mifarana ny fifanarahany amin’io klioba israelianina saingy efa notiliana klioba eoropeanina samihafa izy tato ho ato. Isany ny Eibar sy ny Real Oviedo ary ny Rapid Vienne izany no naharesy lahatra azy indrindra tamin’ireo ka izao niampitàny mialohan’ny fotoana izao, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT