Sport

Jean Gilardin Rabemanana “Ny fanatanjahantena no nitazona ny ainy”


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Natao veloma farany tetsy amin’ny Ekar Md Francois Xavier Antanimena omaly ny nofo mangatsiakan’ny kintan’ny baolina kitra Malagasy,

 

 

 

 Jean Gilardin Rabemanana, rehefa nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha 56 taonany ny alakamisy teo noho ny aretina izay efa nitaiza azy nandritry ny 3 taona, raha ny fanazavan’ny fianakaviana. Isan’ireo vodilaharan’ny ekipan’ny FC BTM tsy nety vaky teo anelanenan’ny taona 1987 sy 1988 izy raha ny fanazavan’ny zanany lahy tokana, Najoro Rabemanana. Efa voahantso nanatevina ny ekipam-pirenena ihany koa. Efa lany aiky mihitsy ,hoy ny taizany, ireo dokotera tamin’ity aretiny ity saingy ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanaovany fanatanjahantena no nitazona azy tao anatin’izay 3 taona farany izay. Hafatra napetrany, hoy ireo zanany, ny hoe “Fo mifankatia no paradisa an-tany.” sy ny hoe “ela velona ny fanatanjahantena Malagasy.” Nanafatra anay ihany koa izy, hoy hatrany I Najoro, mba handimby ny zava-bitany teo amin’ny fiarahamonina ary hampirisika ny tanora ho tia sy hanao fanatanjahantena raha te ho ela velona.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT