Sport

JAJ 2018 any Alger Nitranga ny nampoizina hatreto


  • Talata 24 Jolay 2018

Nitranga ny efa nampoizina aty amin’ny andro faha-5 hanatanterahana ny fifaninanana “Jeux Africain de la Jeunesse” andiany faha-3 tontosaina any Alger hatramin’ny 18 jolay lasa teo ka hifarana ny 28 jolay 2018 fa tsy dia antenaina

 

hitondra vokatra inona loatra ny delegasiona Malagasy izay tsy ahitana afa-tsy atleta miisa 27 mifaninana ao anatin’ireo atleta 3000 avy amin’ny firenena Afrikanina 26 mandray anjara sy tsy miatrika afa-sy taranja 11 monja amin’ny 27 misy.

Faha-18 no laharana misy an’i Madagasikara nahazo medaly 3 (volafotsy 1 sy alimo 3) ka firenena 9 amin’ireo 26 mandray anjara no aorinany. I Egypta manana medaly 86 (volamena 49, volafotsy 20, alimo 17) no mitana ny laharana voalohany. Algerie mpampiantrano no faharoa medaly 76 (volamena 20, volafotsy 24, alimo 32). Fahatelo i Nigeria medaly 37 (volamena 13, volafotsy 9, alimo 15).

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT