Sport

Ivontoerana fanofanana rugby eny amin’ny kianja Maki Hotokanana amin’ny faran’ny volana izao


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Efa vita hatrany amin’ny 85% ny asa tokony hotanterahina ankehitriny ny Ivontoerana fampiofanana rugby eny amin’ny kianja Maki eny Andohatapenaka raha natomboka tamin’ny desambra 2017 ny fanorenana azy.

 

 Tonga nanara-maso ny asa teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina notronin’ny praiministra Malagasy ny filohan’ny antenimierandoholona ary ny ministira tompon’andraikitry ny tetikasan’ny filoham-pirenena niaraka tamin’ny filohan’ny Malagasy Rugby mazava loatra omaly zoma 9 martsa 2018. Tafidiitra indrindra ao anatin’ny Vision-Emergence 2030 hampandrosoana ny fanatanjahantena Malagasy ny fananganana an’ity “centre de formation rugby ” vaovao ity ka izany no nampidirana azy ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Kasaina hotokanana amin’ny faran’ny volana martsa 2018 izao. Ankoatra  ireo efitrano fanofanana ara-teknika sy “preparation physique” hisy ao aminy dia ahitana toeram-pilomanosana sy trano fisakafoana ary trano fatoriana koa ao aminy. Nampanantena koa ny filoham-pirenena tamin’io fandalovana teny Andohatapenaka omaly io fa hohatsaraina ny fotodrafitrasan’ity kianja Maki eny an-toerana ity ka hasiana “vestiaire” mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ao anatiny.

 

Ntsoavina Evariste     


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT