Sport

Ivon’ny faha-70 taonan’ny FIHEZAMA Homarihina amin’ny Festival ny 10 aogositra izao


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Feno 70 taona katroka amin’ity 2018 ity ny FIHEZAMA “FItaizana ny HErin’ny ZAtovo Malagasy” izay manana tanjona fitaizana ny tanora Malagasy ara-batana sy ara-panahy ao anatin’ny fampiharana izany ao anatin’ny kolontsaina sy fanatanjahantena.

Ny taona 1948 tamin’ny andron’ny fanjanahantany no tonga teto Madagasikara ny Fihezama nentin’ny Fihezama Frantsay ka lasa Fihezama Malagasy taty aorinan’ny niverenan’ny fahaleovantena vao nivadika ho Fas ary niverina ho Fihezama indray. Raha natomboka tamin’ny fiarahana nisakafo sy fizarana ny “gâteaux d’anniversaire” tamin’ny 03 jona 2018 lasa teo ny fanamarihana an’ity tsingerin-taona faha-70 ity dia nambaran’ny filohan’ny komitin’ny fankalazana an’io faha-70 taona io, Randretsa Fidinirina, notronin’ny filoha sy mpandrindra jeneraly,  Rakotobe Solomampianina sy Randremampionona Joseph, tetsy Analakely tamin’ny talata teo fa homarihina amin’ny fanatanterahana “Festival” hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny zoma 10 aogositra izao kosa ny ivon’ny fanamarihana. Handray anjara amin’ny fampisehoam-pahaizana amin’izany ireo “disciplines” miisa 44 ao anatin’ity rafitra ity ankehitriny ary hahitana ny solontenan’ny avy any amin’ny Faritra maro eto Madagasikara, hisy ihany koa ny hirahira hataon’ny “Chorale Fihezama” amin’izany. Ny 28 sy 29 septambra 2018 no hamaranana ny fankalazana miaraka amin’ny delegasion’ny Ficep sy Fsf “Federation Sportive de France” avy any ivelany. Hisy amin’izay ny fizarana “Trophées” sy Medaly ary mari-pankasitrahana samihafa ho an’izay sahaza azy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT