Ismaël Boura

Anaty lisitr’i Kaomoro indray


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Na dia nanamafy aza ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra,

Romuald Rakotondrabe na Rôrô, fa hoavy handrafitra ny Barea amin’ny volana jona ilay elatra ankavia ao amin’ny klioba frantsay, Estac Troyes, Ismaël Boura, dia taitra ny maro nahita ny anaran’ity tovolahy 24 taona ity ofisialy anaty lisitr’i Kaomoro indray omaly. Nisafidy ny ekipam-pirenena kaomorianina ve izany no niafarany? Raha ny mikasika miparitaka anatin’ireo tambazotra iraisampirenena samihafa rahateo tokoa dia manana zom-pirenena frantsay sy kaomorianina ity mpilalao ity. Inona izany no tena marina amin’ity raharaha ity? Inona no antony nahasahian’ny mpanazatra malagasy nanamafy fa tena ny voninahitry ny firenena malagasy no nofidian’ity mpilalao ity ho arovana?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT