Sport

Ireo kianja handray ny Mondial 2018 Hatolotra anao eto amin’ity pejy ity indray ireo kianja manaraka hanatanterahana ny Mondial Rosia 2018.


  • Talata 12 Jona 2018

Ny kianja Olimpika Ficht any Sotchi mahazaka mpijery miisa 48.000 dia nandraisana ny lalao olimpika ririnina tany amin’ny tanànan’i Sotchi tamin’ny taona 2014 ary nandray voalohany lalao baolina kitra tamin’n y taona 2017.

 

Ankoatra ny lalao 1/8-ndalana iray sy 1/4-dalana iray dia handray lalaom-bondrona 4 koa izy dia ny fihaonan’i Portugal sy Espagne, Belgique sy Panama, Allemagne sy Suède ary Australie sy Pérou.

 


Ny kianja Otkru tie Arena na antsoina koa hoe : Spartak Stadium any Moscou dia fonenan’ny ekipan’ny Spartak Moscou afaka mandray olona miisa 45.000 naorina tamin’ny taona 2007 ka handray ny fihaonan’i Agentine sy Isalande, Pologne sy Sénégal, Belgique sy Tunisie ary Serbie sy Brésil sy lalao 1/8-ndalana  iray ihany koa.

 


Ny kianja Krestovski dia kianjan’ny “residence du Zénith Saint-Pétersboug” notokanana tamin’n y taona 2017 ary mahazaka mpijery miisa 67.000 ka handray ny fihaonan’i Maroc sy Iran, Russie sy Egypte, Brésil sy Costa-Rica, Argentine sy Nigeria sy 1:8-ndalana iray, 1/2-dalana iray sy ny lalao fiadian-toerana faha-3.

 


Notokanana tamin’ny taona 2017 ity kianja Baltika Arena any amin’ny sisin-dranon’i Pegolia any amin’ny Faritr’i Kalingrad dia mahazaka mpijery miisa 35.000  ka handray ny fihaonan’i Croatie sy Nigeria, Serbies sy Suisse, Espagne sy Maroc ary Angleterre sy Belgique.

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT