Sport

Iray volana mialohan’ny fampivondronana Mahavelom-bolo ny zava-bitan’ireo mpilalaon’ny Barea


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2021

Azo lazaina ho mahavelom-bolo ihany ny vitan’ireo mpilalao Malagasy voaantso nandrafitra ny ekipam-pirenentsika farany teo raha mijery ireo lalao vitan’izy ireo tamin’ity herinandro ity.

 Rayan Raveloson, izay mitana ny anjara toeran’ny vodilaharana atsy amin’ny Galaxy Los Angeles atsy Etazonia moa iny mbola namono baolina faninefany iny indray. Namiratra ihany koa ny irakiraka afovoanin’ny RS Charleroi, Marco Ilaimaharitra, nandritry ny fihaonana nandresen’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 3-0 ny KV Oostende ny fiandohan’ny herinandro teo. Efa miverina amin’ny heriny ihany koa I Thomas Fontaine taorian’ny ratra nahazo azy ary vao avy nandresy ny FC Nante tamin’ny isa 1-0 moa ny ekipany sy Jeremy Morel farany teo. ity farany izay hita ho nilalao tao anatin’ny tanjany tanteraka ihany koa. Santionany amin’ireo vodilaharana sy ny irakiraka afovoanin’ny Barea izay voaresaka izay fa azo lazaina ho nanao ny nataony koa ireo lohalaharantsika raha tsy hitanisa afa-tsy ry John Baggio, izay nampitazonina ny anjara toeran’ny kapiteny ao amin’ny Port FC ao anatin’ny fifaninanam-pirenena tailandey na Thai league sy Loic Lapoussin izay milalao ao amin’ny RU St Gilloise ary avy nandresy an-tanin’olona tamin’ny isa 1-3 nandritry ny fihaonana tamin’ny RSC Anderlecht ka nahavitany tolotra tsara tarehy tao anatin’ny fifaninanam-pirenena Belza.
J. Mirija
Legende: Marco Ilaimaharitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT