Inter Medias – Iray eny ankianja »

Mitohy ny fisoratana anarana ho an’ireo orinasa Haino vaky jery


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Mitohy ary tsy hifarana raha tsy ny faha 22 aprily izao ny fisoratana anarana amin’ny lalao

izay natokana hoan’ny mpanao gazety sy ireo mpiasa amin’ny orinasa Haino vaky jery. Taranja miisa 3 dia ny baolina kitra ny Baskety ary ny tsipy kanetibe no hifaninanana mandritra ny androan’ny sabotsy 10 may 2025. Hoan’ny taranja baolina kitra dia fifaninanana natokana hoan’ny olona fito noh ho atao ka toy izao ny fepetra. Ny ekipa iray dia ahitana mpilalao 14 miampy mpanazatra iray ho an'ny foot à 7 Lehilahy, toy izay koa ny sokajy vehivavy. Hoan’ny taranja baskety lehilahy sy vehivavy miaraka indray dia mpilalao 12 miampy amin'ny mpanazatra iray izay tsimaintsy ahitana vehivavy. Hoan’ny tsipy kanetibe kosa dia nisy fiovany ny fepetra araka ny fanagatahan’ny mpandray anjara ka natao hoan’olona roa ny fifaninanana fa tsy hoan’olona telo intsony. Hentitra ny fepetra noraisina amin’ity andia ity hoy ireo mpikarakara mba ireo tena mpanao gazety matianina ho handray anjara feno amin’ity fifaninanana ity ka ny taratasy fisoratana anarana feno sy tsy misy diso ary voasonia dia alefa mailaka irery ihany amin'ny intermedias.ojm@gmail.com. Mila sary tapaka 4x4 mazava tsara tsy latsaky ny 3 volana (alefa miaraka amin'ny taratasy fisoratana anarana miaraka amin'ny soratra mazava tsara ny anarana sy ny taranja ifaninanan'ilay olona amin'ny sary. Dika mitovy miloko ny karatra OJM na karatra ao am-piasana. Fanamarinanana ny maha mpiasa iombonana ho an’ireo mpilalao rehetra isaky ny orinasan-gazety. Ny fisoratana anarana dia efa nisokatra ny alarobia 26 martsa 2025 ka tsy hifarana raha tsy ny talata 22 aprily 2025 amin'ny 12 ora alina.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT