Raikitra ofisialy nanomboka tamin’ny alatsinainy 25 martsa 2019 teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 31 martsa izao ny fifaninanana baolina kitra « IN-SOCCER Inter-Institut » andiany 1 karakarain’ny fikambanana « Jeunes Sport Events » tarihan’ny filohany, Vania Andriamisa.
Nozaraina ho vondrona 4 ireo ekipa 16 mandray anjara ka ireo 2 voalohany isam-bondrona no hiatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny zoma 29 martsa ho avy izao. Ny sabotsy sy alahady 30 sy 31 martsa 2019 kosa no hanatanterahana ny lalao manasa-dalana sy famaranana amin’ity fifaninanana ity.
Vokatra azo tamin’ny andro faharoa omaly talata : Estiim 1 - 1 Ift, Ens - Uprim (tsy raikitra), Degs 3 - 0 E-Media, Heccma 1- 0 Commo Lettres, Ispm 0 – 1 Espa Poly.
Fandaharan-dalao anio alarobia 27 martsa : 07:00- Uprim # Ens, 08:00-Heccma # Espa, 09:10- Commo Lettres # Ispm, 10:20-U Fjkm Ravelojaona # Escam, 14:00- Estiim # Ens, 15:10-Degs # Agro Essa, 16:15-Ism Advancea # Cntemad.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.