Sport

Ilambo Football Club Hiditra tsikelikely amin’ny sehatry ny matihanina


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Ny taona 2021 no niorina ny klioban’ny baolina kitra, Ilambo Football Club na Ilambo FC, klioba iray ao Bongatsara

ary nalaina tamin’ny anaran’ny tendrombohitra iray antsoina hoe Ilohalambo izay voalaza fa nahitana ny lohan’ny mpanjaka Ralambo satria tsy nisy loha, hono, ny razan’ity mpanjaka ity nilevina tao ambanin’ny tany tao. Ankehitriny, raha ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny klioba, Tsiry Andriamihantasoa, dia mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa sahady ny klioba dia ny Telma coupe de Madagascar sy ny Ligue 2 Analamanga. Sarotsarotra, hoy izy, ny dingana narahina satria tsy mora ny manangana klioba iray eto Madagasikara. Ny tena tanora ary azo lazaina ho klioba zandriny no hiditra sahady anatin’izay divizionina faharoa izay. Eo ny fanomanana ny mpilalao, ny ara-taratasy, ny fitadiavana kianja fa ny zava-dehibe dia ny fahavonan’ny rehetra hiatrika ny fifaninanana aloha. Mbola ny filohan’ny klioba hatreto no miantoka ny filana rehetra na ara-bola io na ara-pitaovana hatramin’ny tambin-karama izay heverina fa hahafahana hiditra tsikelikely amin’ny sehatry ny matihanina ho an’ireo mpilalao. Miisa 60 ny mpilalao, izay mizara 2, eo ilay milalao amin’ny sokajy voalaza teo fa eo koa ireo mandray anjara amin’ny Champions league Atsimondrano. Raraka teo amin’ny ¼-dalana izahay tamin’ny taon-dasa ho an’io fifaninanana voalaza farany teo io. Manana mpikarakara na Staff tekinika toy ny mpanazatra, mpanomana ireo mpiandry tsatoby, mpanoman-tena, mpikarakara ny fahasalamana ihany koa. In-droa isan-kerinandro no manoman-tena hatreto ka ny kianja moa izany dia na eny amin’ny tany malalaka na mihindrana kianja eny amin’ny Elgeco plus rehefa misy fifaninanana ho atrehina, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Legende: Ireo mpitantana ny Ilambo FC
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT