Ibrahim Amada

Omaly indray vao mba niakatra kianja


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Rehefa tsy hitan’ny karatra nandritry ny 1 volana latsaka teo,

sady tsy isan’ireo 11 voalohany no tsy mpanafana seza ihany koa, dia omaly indray vao mba niakatra kianja rehefa nampidirin’ny mpanazatra teo amin’ny minitra faha 88 ilay mpilalao malagasy eo afovoanin’ny kianja, Ibrahim Amada. Nandritry ny fihaonan’ny ekipany dia ny divizionina voalohany atsy Thailand, Ratchaburi FC, sy ny True Bangkok United FC teo amin’ny ampahavalon-dalan’ny Coupe Revo moa io nampidirana azy io. Ny zava-dehibe aloha tao anatin’izany rehetra izany dia nandresy tamin’ny isa 1 noho 0 ny Ratchaburi FC. Heverina fa mbola tsy tafarina tanteraka taorian’ny ratra nahazo azy ity mpilalao malagasy ity hatreto fa etsy ankilan’izay koa anefa dia azo lazaina hoe vaovao ratsy, indrindra, ho an’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ny mbola tsy fahasalaman’ny lohalaharantsika, Njiva Rakotoharimalala, izay milalao ao amin’ity klioba tailandey ity ihany koa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT