Sport

Ibrahim Amada “Nisy kalitao ny vita tao anatin’ny 2 andro”


  • Alakamisy 10 Jona 2021

Tao anatin’izay 2 andro izay dia nahitana vitrika na “intensite”, hoy ny kapiteny lefitry ny Barea, Ibrahim Amada,

 


 nandritry ny tafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Nisy bandy kely maro vao tonga avy ao amin’ny Pro league koa moa te ampiseho dia nandeha ho azy ny fianarana, hoy izy. Manam-potoana koa isika hanomanana mandram-pahatonga ny fihaonana manaraka. Hitako hoe nisy kalitao ny vita tao anaty 2 andro. Misy manavao ihany fa maharaka daholo matoa ilay izy mandeha tsara. Amiko, manana kalitao tekinika daholo ireo bandy kely milalao eto ireo matoa nantsoina amin’ny ekipam-pirenena. Tsy misy maha samihafa azy aminay “expat” fa mahafaly mijery an-drizalahy mampiseho izay kalitao izay. Na ianao mijery azy aza mba taitra ihany hoe misy bandikely ohatran’izao ve eto an-tanana? Anaty sehatra matihanina tsy maintsy misy fitsipika. Anjaran’ny tsirairay no miaina miaraka amin’izay. Anaty 2 andro tsy afaka hampitaha ny mpanazatra teo aloha sy vaovao satria samy manana ny filozofiana lalao tiany ireo. Ny iray mety finaritra amin’ny resaka fitazomam-baolina maharitra. Ny iray mety tia kokoa mifantoka amina valim-panafihana. Samihafa ny kotrana atao anatin’izay. Mety misy fomba mety amintsika dia misy tsy mety ka tsy afaka iteny aho, noho izany, hoe ratsy ve sa tsara ny votoatin’ilay fanazarantena? Matoa nahazo vokatra isika hatramin’izay dia nisy fomba fiasa tsara tao. Mbola vao mananika ny andro faha 3 sy 4 amin’ny fanazarantena isika izao ka tsy afaka hiteny hoe tsara na ratsy ny vokatra. Mandeha sy mahafinaritra izy hatreto ary mamaly tsara daholo ny mpilalao, hoy hatrany I Ibra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT