Sport

Ibrahim Amada Namono baolina avy eny amin’ny 35 metatra indray


  • Alakamisy 16 Septambra 2021

Velom-panontaniana mihitsy ny mpitia baolina kitra Malagasy ankehitriny hoe fa maninona aza ireto mpilalaon’ny ekipam-pirenentsika ireto no mamiratra avokoa any amin’ny klioban’izy

 ireo tsirairay avy any nefa dia faharesena hatrany tato ho ato no nentin’izy ireo teo anivon’ny Barea? Samy mamiratra avokoa hatramin’ny nialohan’ireo lalao miisa 2 nihaonana tamin’I Benin sy Tanzania na ireo lohalaharana na vodilaharana, indrindra, moa ireo tao afovoan’ny kianja toa an-dry Hery Bastian sy Marco Ilaimaharitra ary Ibrahim Amada, raha ny tombana nomen’ny klioban’izy ireo avy no jerena. Ibrahim Amada moa omaly maraina dia tsara fiditra niaraka tamin’ny kliobany Al Markhyia SC raha nanokatra ny fifaninanam-pirenena ao Qatar ho an’ny divizionina faharoa ho an’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Nandresy ny Al Mesaimeer SC tamin’ny isa 3 noho 1 izy ireo ary dia ity avokavoky ny Barea ity no namono ny baolina fahatelo ho an’ny ekipany avy eny amin’ny 35 metatra indray. Tsy voalohany amin’ny tifi-davitra matiny tamin’ny tongotra haviany io ary antony hiantsoan’ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena any an-toerana hoe “Sniper Malagasy” moa izany taorian’ny tantaran’ny “Missile” tany amin’ny CAN 2019.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT