Sport

Ibrahim Amada Miha matotra filalao hatrany


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Voatanan’ny Al Khor sport club misy an-dry Ibrahim Amada ady sahala 0 noho 0 tao an-jaridainany ny UMM Salal ny talata teo nandritry ny andro fahatelo ho amin’ny fiadiana ny amboaran’i Qatar eo amin’ny taranja baolina kitra na ny

 

 

 

Qatar stars league. Hita ho miha matotra filalao sy ao amin’ny tanjany tanteraka ity mpilalao Malagasy 30 taona ity, raha ny hita tao anatin’ny lalao 2 farany natrehan’izy ireo. Sady angovo no tekinika, hoy ny mpandinika ireo mpilalao. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa miroso tanteraka amin’ny andro mafana amin’izao fotoana izao ny ao amin’ity firenena kely matanjaka ara-tsolika sy tsy misy mponina afa-tsy manodidina ny 200.000 isa ity saingy na dia mora mitaky aza ny harerahana, indrindra, ho an’ireo mpanao fanatanjahantena dia tsikaritra ho efa miha zatra izany tanteraka kosa ity Malagasy izay efa azo antoka fa ho isan’ireo solontena Malagasy hijanona ao an-toerana mandritry ny amboara eran-tany 2022 ity. Izy rahateo izay efa nilaza fa maniry hiaraka amin’ny Barea any amin’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa I Voavy Paulin dia efa mpilalaon’ny El Makasa, ao Egipta talohan’ny CAN 2019 ka inoana fa anjaran’i Ibra indray izany izao no manomana ny kianja ho vantanin’ny Barea ao Qatar amin’ny 2022.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT