Sport

Ibrahim Amada «Mety mbola ho tafiditra anaty lisitra»


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Nanazava ny antony nahitana ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea farany teo, Ibrahim Amada,

niara-nanao fanazarantena tamin’ireo namany nanomboka ny 6 jona teo ny mpanazatra ny ekipam-pirenena, Romuald Rakotondrabe na Coach Rôrô. Mahitsy aho, hoy izy, omaly, miteny. Eto an-toerana i Ibrahim Amada ary tena miara-manao fanazarantena aminay isan’andro. Tsy manana zavatra ho porofoina amin’ny ekipam-pirenena intsony izy fa efa hitantsika rehetra ny zava-bitany. Ho jerena, noho izany, ny lentany eny an-kianja na «performance» sy ny fetrany ihany koa hoe tokony ho tafiditra anaty vondrona ve sa tsia. Aleoko mahita an’i Ibrahim Amada hilalao raha hitako isan’andro eto dien’izao izy eny an-kianja toy izay hitsapatsapa mpilalao vao ho tonga manomboka amin’ny 12 jona, izay mety haha voafitaka ahy ny mampijoro azy. Raha hita fa ao anatin’ny tanjany sy fahafahany manome izay tadiavina aminy i Ibrahim Amada dia ho ampidirina anatin’ny vondrona, raha tsy izay moa no miseho, dia tsy maintsy ho lazaina ihany izy hoe aoka aloha. Manomboka amin’io 12 jona io no heverina fa ho tonga daholo ireo mpilalao nantsoina rehetra ary eo koa izany isika no manomboka mamaritra ny tena lisitra farany. Mety mbola ho tafiditra anaty lisitra i Ibrahim Amada. Mety tsy ho tafiditra koa anefa. Arakarak’izay fivoarany eo, hoy hatrany i coach Rôrô.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT