Sport

Ibrahim Amada Manampy ireo taninketsan’ny kitra Malagasy


  • Alatsinainy 22 Martsa 2021

Miroso amin’ny fanampiana ireo taninketsan’ny kitra Malagasy hatrany ilay irakiraka mpiaro eo anivon’ny ekipam-pirenena

 

 

 

 malagasin’ny baolina kitra milalao ao amin’ny Al Markhiya, Qatar, Ibrahim Amada. Iray volana latsaka teo izay ny tenany no nandalo teto an-tanindrazana ary nanolotra fitaovana samihafa ho an’ny klioban’ny fokontanin’Ambohitrakely nialohan’ny nitodihany loha hihazo an’i Qatar hanasonia ny fifanarahany tamin’ny ekipan’i Markhiya. Fantatra fa mialohan’ny hamonjeny ny famondronana ny Barea atsy Etiopia izay hiatrika lalao ny alarobia izao dia mbola nahatonga baolina miisa 70 ho tsinjaraina ho an’ireo katitakely miofana amin’ity taranja ity ao amin’ny Academy Football Buffalo sy ny Avenir de Betongolo ity kapiteny lefitry ny Barea ity. Miandrandra ny rehetra fa tsy handiso fanantenana ny Malagasy ny tenany amin’io lalao amin’ny alarobia 24 martsa sy io amin’ny talata 30 martsa io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT