Ibrahim Amada

Hamarana ny filalaovany kitra any Azia…


  • Talata 16 Janoary 2024

Nivelatra tao amin’ny Akademia ny antsika, divizionina voalohany teto Madagasikara,

ny taona 2009 hatramin’ny 2011. Nila ravinahitra tao Alzeria avy eo nandritry ny 9 taona be izao ka nitety ireo klioba sangany nanomboka tamin’i JS Kabylie, AS Khroub, USM Harrach, US Sétif, MC Alger saingy rehefa tonga moa ny fetran-taona tsy maintsy ialan’ny mpilalao mpila ravinahitra ao Alzeria (TTF: 29 taona) ao an-toerana dia voatery nitady firenen-kafa nilàna ravinahitra indray ity kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea teo aloha ity ny taona 2019, taorian’ny tompondakan’i Afrika na CAN 2019, izay tena namiratan’ny Barea tokoa tany Ejipta. Nifindra tany Qatar indray ny tenany, noho izany, ny taona 2019 tao amin’ny Al Khor, divizionina voalohany hatrany. Herintaona taorian’izay ihany anefa dia nifindra tao Al Markhiya sport club, divizionina faharoa tao an-toerana indray. Avy eo dia nifindra tao amin’ny Al Qadisiya, divizionina faharoa, ao Arabia saodita, izany hoe tsy niala intsony tao amin’ny kaontinanta aziatika. Ankehitriny dia heverina fa hamarana ny diany na “carrière” ao Azia tokoa i Ibrahim Amada, izay kapiteny sady avokavoka mpiaron’ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha, satria dia nahazo fifanarahana ao amin’ny klioban’i Ratchaburi FC, divizionina voalohany ao Thailand, miaraka amin’ilay lohalaharana malagasy, Njiva Rakotoharimalala, koa. Maro amin’ireo mpitia baolina kitra malagasy koa etsy ankilan’izay no mbola maniry ny hiverenany hanatevina ny ekipam-pirenena indray saingy miankina amin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô ihany moa izay. Raha ny tafa farany nifanaovana tamin’i Ibrahim Amada teto Madagasikara dia eo amin’ny faha 35 taonany eo ny lehilahy no miheritreritra ny hijanona amin’izay maha mpilalao azy izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT