Ibrahim Amada

Efa ho iray volana tsy nanao fanazarantena


  • Talata 28 Mey 2024

Samy milalao ao amin’ny Ratchaburu FC, divizionina voalohany ao Thailand eo amin’ny taranja baolina kitra,

moa ilay lohalaharana malagasy, Njiva Rakotoharimalala, sy ilay irakiraka afovoany, Ibrahim Amada, izay voaantso handrafitra indray ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara amin’ireo lalao miisa 2 manomboka 7 jona izao ho tohin’ny fiadiana ny tapakila ho amin’ny amboara eran-tany ny taona 2026. Samy misedra fahasahiranana amin’izao fotoana izao izy mirahalahy ireto, raha ny vaovao voaray eo anivon’ity klioba ity, satria dia efa ho 5 volana izao i Njiva no tsy afa-niatrika na dia fanazaran-tena akory noho ny ratra nahazo azy ny volana desambra 2023. Etsy ankilany koa dia ny 5 may teo no nahitana an’i Ibrahim niakatra kianja farany ary dia tsy tazana intsony koa izy taorian’izay na dia fanazarantena aza, izany hoe efa ho iray volana tsy nanao fanazarantena nefa voaantso hiverina handrafitra ny ekipam-pirenena amin’izao faha 34 taonany izao. Tsy fantatra mazava moa hatreto ny tena antony na mbola fiverenan’ny ratra nahazo azy tamin’ny 3 volana ihany koa na tena tsy faharesen-dahatry ny mpanazatra aminy intsony. Fanontaniana mipetraka koa aza ny hoe sa sanatria nivarina mpilalao fiandry na «réserve» mihitsy?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT