avy eny Ivato ka hatreny Mahamasina
Higadona etoMadagasikara ny alahady 6 desambra izao i Iaro Razanakonto, ilay tanora Malagasy fantan-daza eo amin’ny tontolon’ny fanamoriana fiakarodia. Izy no hany solontena afrikanina amin’ny fifaninanana Gran Turismo any Azia Atsimo-Atsinanana. Hisy noho izany fiomanana lehibe handraisana azy eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato, raha ny fampahafantarana samihafa. Iaro dia efa fantatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny talentany sy ny faharetany no nahatonga azy ho kintan’ny lalao hazakazaka fiara. Nampakatra avo ny lokon’ny Malagasy izy ary nanome aingam-panahy ho an’ny tanora maro. Niavaka ny vokatra azony tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Tamin’ny dingana farany tao Buriram, Thailand, dia nahazo ny laharana voalohany tamin’ny sokajy GT4 izy. Nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny filaharana ankapobeny ihany koa, taorian’ny podium tany Malezia sy Bangsaen. Ireo zava-bita ireo dia nahazoany fankasitrahana lehibe, ka niakarany ho amin’ny sokajy GT3 amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Dingana lehibe izany, manamarika ny fandrosoany ho amin’ny fifaninanana avo lenta hatrany. Ankoatra ny sehatra ara-panatanjahantena, miavaka amin’ny fandraisany andraikitra ho an’ny fiarahamonina i Iaro Razanakoto. Efa nanao hetsika maro fanasoavana ho an’ny vahoaka malagasy izy, araka izay vitany. Izy no isan’ny mpiahy ny ankizy madinika (0–6 taona) amin’ny sehatra Sakafo sy PPN ao amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo. Maro ireo tan-tsoroka nentiny ho fanasoavana ny mpiray tanindrazana. Homarihina amin’ny fandraisana ara-panjakana ny fiverenany an-tanindrazana sy fihaonana amin’ny mpankafy ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. Fihaonana dhialohavan’ny « Caravane » lehibe avy eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Efa miomana amin’ny fandraisana am-pireharehana azy ny mpankafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.