Sport

Horonantsary « Jeune fille au ballon ovale » Hatolotra manonkana eto Antananarivo ny 8 martsa 2018


  • Talata 06 Martsa 2018

Tao anatin’ny lanonana fifanaovana sonia fanavaozana fiara-miasa nifanaovan’ny “Association Terres en Mêlées” sy ny banky Malagasy BFV-SG tetsy amin’ny IFM Analakely omaly alatsinainy 05 martsa 2018 no nampahafantaran’ireo tompon’andraikitra fa halefa manontolo eto Antananarivo hoan’ireo olona notsongaina aloha ny horonantsary fanadihadiana « Jeune fille au ballon ovale »

rehefa avy nalefa in-3 miantoana be izao tany amin’ny televiziona France O tany an-dafy tany ary efa nahita izany ihany koa ny tany Toliara. Horonantsary izay mampisongadina indrindra ny fivoaran’ny tanora vavy Malagasy amin’ny alalan’ny filalaovana ny taranja rugby any an-tsekoly ary nalaina tamin’ny zava-misy niainan’ireo kilonga vavy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny nosy. Resy lahatra amin’ny fahombiazana sy fahambonian’ny tetikasa ny Société Générale, hoy ny DGA –n’ny Bfv-Sg Malagasy, Frederic Leiritz, iray tamin’ireo nanao sonia matoa nanapa-kevitra isan-taona nanomboka tamin’ny 2015 ny nanohana ara-bola ny “Association Terres en Mêlées” nosoloin’ny filohany, Pierre Gony, ilay an-kilany nanao sonia na dia fantatra aza fa mampiasa tetibola 40 tapitrisa Euros isan- taona ity fikambanana ity amin’ity tetikasa fampiroboroboana ny rugby any Atsimo ity. Ny 24 sy ny 27 martsa 2018 kosa no handefasana azy ho an’ny besinimaro eto Antananarivo ary ao amin’ny IFC ihany.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT