Hoavin’ny baolina kitra malagasy

Mampanahy tanteraka !


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF moa io nangina tanteraka taorian’ny tsy fahombiazan’ny

ekipam-pirenena tao anatin’izay andro miisa 4 vita tamin’ny fifanintsanan’ny amboaran’i Afrika na CAN 2025 izay. Hatreto dia miandry ny volana novambra hisian’ny fampivondronana manaraka ireo ho voaantso handrafitra izany ekipam-pirenena na Barea izany indray izany vao mety hisy resaka momba izay atao hoe baolina kitra malagasy izay. Azo lazaina ho mampanahy tanteraka ankehitriny ny hoavin’ny baolina kitra malagasy satria hatreto dia tsy hita mihitsy izay politika mazavan’ny FMF hirosoana amin’izay amin’ny fampandrosoana azy ity. Aiza ho aiza ny fananganana akademian’ny baolina kitra? Mila toy ireny Akademia Ny Antsika ireny marobe, hoy ny lohalaharan’ny ekipam-pirenena, Voavy Paulin. Mila fanorenana ifotony mihitsy, hoy ry Randrianirina Jean Ignace na Ramasy, izay kintan’ny Club M fahiny ihany koa. Ry Lova Ramisamanana, izay mpandraharaha eo amin’izay lafiny baolina kitra izay moa dia efa nampahafantatra am-pahibemaso ny tetikasany mihitsy ny taona 2019 mikasika izay tetikasa hanangana akademian’ny baolina kitra teto Madagasikara izay. Efa nampahafantatra ireo ho mpiara-miombon’antoka aminy izay vonona tamin’izany koa ny tenany, na ny any ivelany io na ny avy eto an-toerana. Efa samy naneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ihany koa ireo kintan’ny taona 2019 toa an-dry Faneva Andriatsima na Faneva Ima sy ry Bolina na Lalaina Nomenjanahary izay efa sady samy manana traikefa avo lenta no manana mari-pahaiza ambony ihany koa amin’ny resaka fitantanana klioba manana ny maha izy azy any Eoropa any. Toy izany koa ilay kintana fahinin’ny Paris Saint Germain, izay klioba sangany ao Frantsa hatramin’izao, Eric Rabesandratana, izay efa mpampiofana ireo taninketsan’ity klioba ity rahateo moa. Malagasy manana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra avokoa ireo ary mbola eo saingy dia izay moa izany no hoe safidin’ny FMF. Mangina dia miandry ny fampivondronana Barea manaraka dia hiandry ny sahala manaraka, raha faran’ny afaka indray angamba!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT