Sport

Hoavin’ny baolina kitra malagasy Mampanahy tanteraka !


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF moa io nangina tanteraka taorian’ny tsy fahombiazan’ny ekipam-pirenena

tao anatin’izay andro miisa 4 vita tamin’ny fifanintsanan’ny amboaran’i Afrika na CAN 2025 izay. Hatreto dia miandry ny volana novambra hisian’ny fampivondronana manaraka ireo ho voaantso handrafitra izany ekipam-pirenena na Barea izany indray izany vao mety hisy resaka momba izay atao hoe baolina kitra malagasy izay. Azo lazaina ho mampanahy tanteraka ankehitriny ny hoavin’ny baolina kitra malagasy satria hatreto dia tsy hita mihitsy izay politika mazavan’ny FMF hirosoana amin’izay amin’ny fampandrosoana azy ity. Aiza ho aiza ny fananganana akademian’ny baolina kitra? Mila toy ireny Akademia Ny Antsika ireny marobe, hoy ny lohalaharan’ny ekipam-pirenena, Voavy Paulin. Mila fanorenana ifotony mihitsy, hoy ry Randrianirina Jean Ignace na Ramasy, izay kintan’ny Club M fahiny ihany koa. Ry Lova Ramisamanana, izay mpandraharaha eo amin’izay lafiny baolina kitra izay moa dia efa nampahafantatra am-pahibemaso ny tetikasany mihitsy ny taona 2019 mikasika izay tetikasa hanangana akademian’ny baolina kitra teto Madagasikara izay. Efa nampahafantatra ireo ho mpiara-miombon’antoka aminy izay vonona tamin’izany koa ny tenany, na ny any ivelany io na ny avy eto an-toerana. Efa samy naneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ihany koa ireo kintan’ny taona 2019 toa an-dry Faneva Andriatsima na Faneva Ima sy ry Bolina na Lalaina Nomenjanahary izay efa sady samy manana traikefa avo lenta no manana mari-pahaiza ambony ihany koa amin’ny resaka fitantanana klioba manana ny maha izy azy any Eoropa any. Toy izany koa ilay kintana fahinin’ny Paris Saint Germain, izay klioba sangany ao Frantsa hatramin’izao, Eric Rabesandratana, izay efa mpampiofana ireo taninketsan’ity klioba ity rahateo moa. Malagasy manana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra avokoa ireo ary mbola eo saingy dia izay moa izany no hoe safidin’ny FMF. Mangina dia miandry ny fampivondronana Barea manaraka dia hiandry ny sahala manaraka, raha faran’ny afaka indray angamba!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT