Hiova endrika amin'izay ny Barea!

Hanao izay ho afany hanala vela amin’i Tonizia anio


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Tena ho tsara raha ny zavatra miseho amin'ny fanazaran-tenan'ny Barea omaly tany Tonizia no jerena.

Ny vaovao tena mahafaly dia izay vao manana lohany ny fanafihana ny Barea satria dia tonga amin'ny heriny i Warren Caddy. Ary tsy izy irery fa tena manao koa eo amin'ny toeran'ny irakiraka mpanafika i Johan N'Zi. Ny zava-dehibe hoy i Roro Rakotondrabe dia tena tafiditra ao anatin'ny vondrona izy roalahy ireto. Ny hany mbola baraingo dia ny mety hiaraka amin'i Louis Domeleon eo amin'ny vodilaharana afovoany satria mbola misy telo ny safidy dia i Berajo, Thomas Fontaine ary Sandro Tremoulet. Mety nojerena omaly ihany izany hoe iza sy iza no tena mahay miaraka. Mety koa anefa ny mametraka vodilaharana telo avy hatrany. Asa aloha izay fanampahan-kevitra farany fa ny zava-misy dia samy vonona daholo ny mpilalao.

Anio amin’ny 10 ora alina no hiditra an-tsehatra eo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 ny Barean’i Madagasikara, hiezaka hanao valin’ady amin’i Tonizia izay nanamontsana antsika teo amin’ny dingana ampahefa-dàlan’ny CAN 2019 tany Egypte. Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-panjakana TVM ny lalao, raha ny fampahafantarana ofisialy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT