Sport

Hijery Barea sy Tonizia amin’ny alakamisy Anio amin’ny 12 ora atoandro ny fara-fisoratana anarana


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Ny alakamisy 11 jolay ho avy izao no lalao ampahefa-dalana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Tonizia, lalao izay atao any Cairo ao Caire Ejipta. Efa tonga teto an-tanindrazana afak’omaly ireo mpanohana ny ekipa Malagasy.

 

 

Raha ny vaovao voaray, dia mbola hisy ny fiaramanidina ho any ejipta ho an’ireo olona hiatrika io lalao ampahefa-dalana io. Efa manomboka ny fisoratana anarana sy ny famandrihan-toerana ho an’ireo olona tsy mbola nandeha ka manam-pikasana ny hanohana ny ekipa Malagasy na ireo izay mbola te handeha hihazo an’i Ejipta. Tsy miova  ny saran-dalana  fa mijanona ho 2.200.000 ariary, raha  298000 ariary kosa ny visa. Mety hitombo ny fiaramanidina mandeha amin’io, fa miankina ny isan’ny olona izany, hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana  ny repoblika.Ho an’ny Air Madagascar manokana, dia efa nanomboka omaly maraina ny fisoratana anarana tao amin’ny Air Madagascar. Raha ny vaovao voaray farany, dia anio amin’ny 12 ora atoandro no fara-fisoratana anarana ary manainga anio alina ihany ny fiaramanidina hitondra ireo mpanohana ny ekipa Malagasy ary miverina eto an-tanindrazana ny zoma aorian’ny lalao ataon’ny Barea sy ny Tonizia izy ireo. 

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT