Sport

Hiakatra kianja ny Barea Ao anatin’ny heriny ny mpilalao rehetra


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Ora sisa isaina, dia ho raikitra ny fifandonan’ny Barean’I Madagasikara amin’ny Ecureuils Béninois ao amin’ny Kianja Amitié Général Mathieu Kérékou anio alakamisy 11 novambra 2021 amin’ny 5ora hariva any an-toerana,

amin’ny 7ora hariva ora Malagasy. Ny talata teo tokony ho tamin’ny 11ora alina no nigadona tany Cotonou ny andiany farany tamin’ireo mpilalaontsika nahitana an-dry Nomena, Arnaud, Mamy Gervais, Rayan, Metanire, Gladyson, Fabrice. Raha toa ka efa tonga nialoha kosa ireo mpilalao hafa toa an-dry Isan’ireo tonga nialoha ry Marco, Voavy, Melvin, Morel,… Omaly hariva no nitsapa sy nanao fanazaran-tena tao amin’ny Kianja hilalaovana ny Barea, raha toa ka ny talata no efa nanomboka ny fanazaran-tena tao amin’ny toerana hitobiany. Ny talata tamin’ny 11ora alina no tonga ny andiany farany. Ankoatra an’I Yannick Pandor mpiandry harato, tsy isan’ireo mpilalao afaka nihazo an’I Bénin ihany koa I Fabien Boyer izay isan’ireo mpilalao nanova betsaka ny herijikan’ny vodilaharana Malagasy tamin’ny fifandonana tamin’I RD Congo. Nilaza ny mpanazatra Eric Rabesandratana omaly, fa hanamafy ny fametrahana sy hitazona ny firaisan-kiana sy ny fahambonian’ny moraly, manohy ny efa natomboka mba hahazoana vokatra hatrany, toy ny tamin’ny lalao nanoloana an’I RD Congo. Nambaran’ny mpanazatra, fa isan’ny zava-dehibe ny fiverenan’I Jeremy Morel, raha toa ka tsy afa-manoatra noho ny ratra I Fabien Boyer. Ao anatin’ny heriny, ary afaka milalao avokoa ny mpilalao rehetra amin’ny ankampobeeny, raha ny fanazavany. Ny ezaka asehon’ny rehetra no ahafahana mahazo vokatra, hoy izy. Nosokajiana ho “favori” I RD Congo tany aloha, kanefa ny rehetra dia manana herijika. Milalao ao anatin’ny fahavonana hitondra vokatra no zava-dehibe, raha ny nambaran’I Eric Rabesandratana, izay nanamafy fa isan’ny tanjona ifotorana dieny izao ny fiakarana amin’ny CAN 2024. Marihina fa manana isa 7 avy I Tanzanie sy Bénin izay voalohany sy faharoa; fahatelo I RD Congo manana isa 5, ary fahaefatra isika manana isa 3 hatreto. Mila mandresy an’I Bénin sy Tanzanie isika, ary manao ady sahala in-droa RD Congo dia isika no tafiakatra amin’ny dingana manaraka, izay somary sarotsarotra, saingy ilaina foana ny fandresena ho antsika na hanatsarana ny filaharana eo anivon’ny FIFA ihany aza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT