Hiady mafy ny Barea anio

Isan’ireo 4 mendrika indrindra anatin’ny CHAN i Toldo


  • Zoma 22 Aogositra 2025

Andrasana fatratra ny lalaon’ny Barea sy ny ekipam-pirenen’i Kenya

anio 22 aogositra amin’ny 5ora hariva, izay andrandraina sy hirariana mba hivoaka mpandresy hatrany ny ekipam-pirenentsika na heverina ho isan’ny maozatra aza ny mpifanandrina. Tsy misy azo hamaivanina ny ezaky ny mpilalao rehetra, saingy nisongadina ny mpandry haratontsika, ka hirariana ny fahombiazany. Isan’ireo mpilalao miisa 4 mendrika indrindra ao anatin’ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CHAN 2025 hatreto ny mpiandry tsatoby malagasy, Michel Ramandimbisoa na Toldo, raha ny fampilaharana voaray avy amin’ny kaonfederasionina afrikanina na ny CAF hatreto. Ilay sodaney, Abdelrazig Omer, no nahazo ny naoty ambony indrindra, 7,83. Mohamed Rabie Hrimat, maraokanina, no faharoa. Manana isa 7,70. Mitovy kosa ny naotin’ilay kaongoley, Efonge Brudel, sy ny malagasy, Toldo, 7,68, ary samy mitana ny laharana faha 3, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT