Sport

Hetsika X-Trême Combat andiany faha-3 Nisongadina ny mpikatroka Malagasy


  • Talata 10 Martsa 2020

Voaporofo tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny sabotsy 07 martsa 2020 lasa teo, fotoana nanatanterahana an’ilay hetsika :

 

 

« X-Trême Combat » andiany faha-3 nokarakarain’ny   klioba Lion Force tarihan’i Me Boto Gilbert sady tafiditra ao anatin’ny fanamarihan’ity klioba ity ny ny faha-10 taona niorenany sady nanokafana ihany koa ny taom-pilalaovana vaovao eo amin’ny taranja kick boxing fa tena mbola hankafizin’ny Malagasy tokoa ny hetsika haiady Malagasy ka nahafeno hipoka an’ity toerana ity indray tamin’io andro sabotsy io. Azo lazain fa nilamina sy raitra ihany koa ny fikarakarana nataon’ny Lion Forece teo ambany fiahian’ny FMKDA « Federation Malagache de Kickboxing et Disciplines Associées ». Teo amin’ny vokatra azo tamin’ny ankapobeny dia nisongadina teo amin’ny ady kick Boxing iraisam-pirenena natao ny mpikatroka Malagasy izay nandavo an’ireo mpikatroka Reonioney manontolo tamin’ny ankapobeny :

Sokajy 63,5 kg : Rakotonirina Odilo (MAD) nandresy an’i Damien (REU) ; Elfaza Fazaraly (MAD) nandresy an’i Emmanuel Pierrault (REU) tamin’ny KO.

-52 kg vehivavy : Ravelosara Anita nandresyan’isa an’iNassibou Bomela (REU)

 

Adin’ny samy Malagasy

Justin Zafy Mariamo « Lavakely » Etoile du Sud nandresy  an’i Jean Christian Heriniaina « Menavolo » Lion Force tamin’ny KO teo amin’ny round faha-3

Marc Lougar (Scorpion) nandresy an’i Navalona (Ftbf)

Lava Mickael (Cisc) nandresy an’i Jimmy

Joel Manakara nandresy an’i Patrice Rastà

Vohary Pierre (Expatrié) nandresy an’i Cassus (Cospn)

48 kg : Natacha nandresy an’i Tsilavina
-52 kg : Sandra nandresy an’i  Helisoa
-60 kg : Rojo nandresy an’i Beloha
-71 kg : Jean-Claude nandresy an’i Njaka

 

K1 : James Carter  (Scorpion) nandresy an’i Mamy Devoly (3Fb) tamin’ny « Disqualification » teo amin’ny 1er    round.

Jessy nandresy an’i Tojo

Sandra nandresy an’i Onja

Natacha nandresy an’i Narindra

Anitah nandresy an’i Claudia

 

Savate Pro : Jhonny Rakotondrabe(3Fb) nandresy an’i Allain  Ratovoson (Vakinankaratra)

 

Boxe anglaise : Soloniaina Razanadrakoto nandresy an’i Zacharie

                          Lalaina Rabenarivo nandresy an’i Sambatra

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT