Sport

Hetsika Grand Defi de Kick Boxing Nangotraka tokoa ireo ady niisa 40 natrehana omaly


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Tontosa, omaly alahady 05 janoary tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny hetsika “Grand défi de Kick Boxing” nokarakarain’ny klioba CKBA (Me Eric Nonoh)

 

 

 

miaraka tamin’ny klioba TIGERS (Me Rivo) teo ambany fiahian’ny seksion’ny kick boxing Atsimondrano sy  teo ambany fanohananan’ny Association FFAM “Force Féminine d’Aide Mutuelle” izay tarihan-dRtoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle “MISHAH” avy eny Anosizato Andrefana izay tazana nanotrona ny ady 40 hatramin’ny farany. “Ny fikarakarana sy fanampiana ny tanora eny Anosizato Andrefana misy anay eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena no tanjona nanohanana an’ity hetsika ity, hoy izy teny Mahamasina omaly, ary ny maraina teo izahay dia mbola voaasa’ny seksionan’ny rugby any Itasy nanatrika ny lalao rugby nokarakarain-dry zareo tany an-toerana”. Marihana fa ireo mpikatroka lahy sy vavy ao amin’ny “Classe A” sy “Classe B” avy avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra sy ligin’i Matsiatra Ambony ary ny ligin’Alaotra Mangoro sy ny ligin’

Atsimo Andrefana ary ny ligin’Analamanga no niakan-tsehatra tamin’ity fifaninanana ity. Nisongadina teo amin’ny vokatra azo ny nandresen’Casis Antananarivo an’I Bruno Antsirabe teo amin’ny sokajin-danja -71 kg (Classe A), ny nandavoan’ny Jean Claude  Ckba Ffam Atsimondrano an’i Meva Antsirabe teo amin’ny sokajin-danja -57 kg (Classe A) ihany koa ary ny nandresen’i Angleto Ckba Ffam Atsimondrano an’i Fabien Ftbf Antaninarenina teo amin’ny sokajin-dajna – 60 kg  mbola (Classe A) hatrany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT